Test Saloma

 

Logo site

Saloma

 

Lahateny 1: Koa amin’ izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan’ ny Rainareo Izay any an-danitra (Mat.5:48).

Misaotra an’Andriamanitra isika ry Havana nahatratra izao Isan-taona faha 126 n’ny Tobilehibe Soatanana izao izay mitondra ny teny Faneva hoe: “Raha velon’ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy” (Gal. 5: 25).

Miarahaba antsika rehetra koa amin’ny fanarahantsika indray ireo Toriteny, fampianarana, ary lahateny amin’ny alalan’ny fampiasantsika ny teknolojia vaovao ampitain-davitra amin’ity Isan-taona faha 126 n’ny Tobilehibe Soatanana amin’ity taona 2020 ity.

Isaorana koa ny Biraon’ny Tobilehibe Soatanana izay nanome anay anjara Lahateny 2, izay mitondra ny Lohan-teny hoe: Koa amin’ izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan’ny Rainareo Izay any an-danitra (Mat.5:48).

Ny Mat.5:48 ry havana dia famintinana ny amin’ny adidy ambony indrindra izay tsy maintsy ataon’ny Kristiana amin’ny mpiara-belona aminy dia ny momba ny didim-pitiavana izay voalaza ao amin’ny Mat.5:44-47 izay mivaky toy izao amin’ny anaran’I Jesosy: Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’ izay manenjika anareo, mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra hianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ ny marina sy ny tsy marina. Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao izany koa va?  Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany? Moa na dia ny jentilisa aza tsy mba manao toy izany ihany va?               Ny lahateny koa dia mbola mifamatotra amin’ny  tenin’Andriamanitra roa (2) dia ny Mat.7: 12 manao hoe: Koa amin’ izany na inona na inona tianareo hataon’ ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany. Ary ny Mat.5: 20 manao hoe: Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra mihitsy hianareo.Ireo tenin’Andriamanitra telo (3) izay voalaza eo ambony ka mifamatotra amin’ny lahateny anjarantsika  momba ny didim-pitiavana  ry Havana dia mifamatotra tsara koa amin’ny faneva hoe “Raha velon’ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy” (Gal. 5: 25).  Manambara izany fa ny fahavelomana aram-panahy sy ny fandehanana araka ny fanahy no toetra ambony indrindra amantarana ny tena Kristiana marina dia ny fananana hatsaram-panahy feno fitiavana. Tsy vitan’ny hoe mahazo tombony amin’ny fampiharana ny tena fitiavana isika, fa manana hery koa hanova ny fiaraha-monina manodidina antsika koa.                Amin’izao lahateny izao ary dia mipetraka ny fanontaniana hoe: Inona ny hevitry ny teny hoe fahatanterahana? Manao ahoana ny fanehoam-pitiavana ataon’ireo fivavahana tsy Kristiana? Mifototra amin’inona ny azy ny fitiavana? Mifototra amin’inona ny fahatanterahana?  Inona no mampiavaka ny Zanaky ny Fifohazana amin’ny jentilisa raha mitovitovy ihany ny fomba fiainany?

Ho valiantsika voalohany ary ny fanontaniana hoe Inona ny hevitry ny teny hoe fahatanterahana?

Ny hoe fahatanterahana amin’ny teny Malagasy ry havana dia azo adika hoe fahalavorariana na fahatomombanana.

Raha raisina avy amin’ny teny fototra Grika  kosa ny teny hoe “fahatanterahana”   dia ny teleios and teleiōsis, izay ahazahoana ny foto-teny hoe, telos, no adika hoe  Fiafarana na “fahatongavana amin’ny farany” na adika koa hoe” tanjona” na “ fahatratrana ny fiafarany na ny farany”. Azo adika ihany koa hoe fahafenoana na feno (complete), na tonga lafatra (more perfect), na fahamatorana na matotra (mature) koa ny dikan;ny teny hoe “fahatanterahana”   .

Hita ao amin’ny Jak.1;17 izay mivaky toy izao amin’ny anaran’I Jesosy: Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy amin’ ny Rain’ ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin’ ny fihodinana.

Eo amin’ny Tradisiona Kristiana indray ny  teleiōsis na” fahatanterahana”  dia  azo adika koa ho ny maha olona iray manontolo na herim-panahy na fivelaran’ny toe-piainana tsara. Indrindra fa adika hoe “fanoloran-tena tsy azo hozongozonina na fanoloran-tena tsy miova amin’ny tanjona  (an unswerving commitment to the goal).

Anisan’ny famaritana omen’ny Rain’ny Fiangonana momba ny fahatanterahana koa ry Havana dia ny hoe “fitombo tsy tapaka amin’ny tsara na ny fahatsarana (constant growth in the good).” Izany fitombo tsy tapaka amin’ny tsara na ny fahatsarana  izany dia fifehezan-tena Kristiana,izay asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny olona,                 Ny  «  fahatanterahana « , koa dia tokony ho adika hoe fahatsora-po (to be sincere) sy fahitsiana (upright) , fahafenoana, ary tsy fananan-tsiny, sy fahatomombana, izay ampiasaina matetika ny amin’ny teny hebreo תָּמִים tamiym  (taw-meem’ ), ka hita ao amin’ny Deot.18:13 : Aoka ho tanteraka amin’ i Jehovah Andriamanitrao hianao.  Io indrindra no lazain’I Jesosy ao amin’ny Mat. 5:48 : Koa amin’ izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan’ ny Rainareo Izay any an-danitra.               Ny dikan’izany dia izao ry Havana, ny fahatanterahan’ny Zanaka’Andriamanitra dia manondro ny tsy fivadihana, fahadiovam-pitiavana; tsy fanana tsiny, izay fahalavorarian’ny toem-pianantsika, ka zavatra ao amintsika izany fahatanterahana izany fa tsy zavatra amboamboarina na  zavatra ivelany fa tena ny maha izy azy antsika mihintsy. Ka raha miresaka fahatanterahana isika dia miresaka momba ny fitomboana aram-panahy araka izay hita ao amin’ny  in 1Kor.  2:6 : Anefa milaza fahendrena amin’ ny efa matanjaka izahay, fa tsy ny fahendren’ izao tontolo izao, na ny an’ ny mpanapaka izao tontolo izao, izay olona mihalevona; Hebrews 5:14: Fa ho an’ izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an’ izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.                 Ao amin’Andriamanitra ny fahatanterahana dia tsy zavatra tratrarina, fa zavatra maharitra mandrakizay. Fa isika kosa dia lasa mpandray anjara amin’ny toetran’Andriamanitra rehefa mitia tahaka Azy tia. Ao amin’ny Efe.5: 15 dia lazain’I Paoly : fa mba hanaraka ny marina amin’ ny fitiavana ka hitombo amin’ ny zavatra rehetra ho amin’ Izay Loha, dia Kristy;  Izy no itomboan’ ny tena rehetra (izay akambana sy ampiraisina tsara) noho ny fifanompoan’ ny isan-tonony, araka ny fiàsan’ izay rehetra momba azy amin’ izay mety ho anjara-asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin’ ny fitiavana.               Raha izany any ary ny hevitry ny teny hoe fahatanterahana, Dia izany koa no idirantsika amin’ny famaliana ny fanontaniana faharoa hoe: Manao ahoana ny fanehoam-pitiavana ataon’ireo fivavahana tsy Kristiana? Mifototra amin’inona ny azy ny fitiavana? Mifototra amin’inona ny fahatanterahana?                Ny fahalavorariana na fahatanterahana ry Havana arak any fampianarana izay tsy Kristiana dia endrim-piainana iray manosika ny olona hanatratra filamatra sy tanjona tsy azo tanterahina dia ny  fiezahana ny tsy hananana kilema fa hananana fianana tonga lafatra vokatry ny fifaliana sy ny fitiavana eo amin’ny fianana. Ho raisintsika ohatra androany ny fiheveran’ny fivavahana  Buddhista ny amin’ny fitiavana.               Ny fivavahana Buddhism dia mampianatra fa ny fifaliana dia azo avy amin’ny fampiharana fitiavana. Tsy misy fahasambarana raha tsy misy fitiavana, ary ny tena fitiavana ihany hoy izy ireo no manaraka ny tena fahasambarana. Ny tena fitiavana dia manana fahefana hanasitrana antsika olombelona ary misy dikany lalina amin’ny fiainantsika izany. Misy singa 4 samihafa mandrafitra ny tena loharanon’ny fitiavana, antsoina hoe Brahmaviharas, izay afaka mitondra antsika hanakaiky ny loharanon’ny fitiavana eo amin’izao rehetra izao. Tsy vitan’ny hoe mandray soa avy amin’ny fampiharana ny tena fitiavana ihany isika, fa manana fahefana hanova ny fijalian’ireo manodidina antsika ihany koa amin’ny alalan’ny fitiavana. Ireo singa efatra ireo dia ny maithri, na fitiavana; karuna, na fangorahana; mudita  na hafaliana; ary upeksha, na fitoviana. Ireo dia antsoina hoe toetra « tsy azo refesina » satria mitombo tsy misy fetra ao anatintsika rehefa mampihatra azy ireo isika.                Ny Maithri  na fitiavana, na hatsaram-panahy feno fitiavana, dia milaza ny fikasantsika sy ny fahafahantsika manolotra fifaliana sy fahasambarana ho an’ireo olona manodidina antsika. Izany dia mitaky ary manosika antsika hijery sy hihaino ireo olona manodidina antsika mba hahafantarantsika hoe iza izy ireo ary inona no ilain’izy ireo. Ny fitiavana marina dia tsy ho hita raha tsy mahatakatra ilay olona tiantsika isika. Amin’ny alàlan’ny fahatakarana dia fantatsika ny zavatra ilain’ny olona, ​​ny tahony, ny hetahetany ary ny fijaliany, ary avy eo isika dia afaka manolotra izay ilain’ilay olona.

               Karuna  na fangorahana indray dia fahafaha-manamaivana sy manova fijaliana ary manamaivana ny alahelon’ireo olona tianao. Ny fandikana ara-bakiteny ny hoe fangorahana dia « miaraka mijaly », fa ny fiheverana ny Karuna amin’ny Buddhism dia somary hafa. Buddha dia mihevitra fa ny olona iray dia tsy mila mandray anjara amin’ny fijalian’ny hafa mba hamelomana azy, satria raha mijaly loatra isika dia mety hianjera ihany koa. Mianatra fangoraham-po isika amin’ny alàlan’ny fihainoana lalina, fijerena lalina ary amin’ny alàlan’ny fambolena fiahiana lalina an’ity tontolo manodidina antsika ity.

               Mudita  na fifaliana  kosa  dia tsy mitovy amin’ny fahasambarana na dia samy mampiasa vatana sy saina aza ny fahasambarana. Ny fifaliana mantsy dia mifandraika indrindra amin’ny saina. Ny ohatra mahazatra ampiasain’i Buddha dia ny hoe raha any an-tany foana (desert)  isika dia mahatsapa fifaliana rehefa mahita rano, ary mahatsapa fahasambarana kosa rehefa misotro azy. Ny Mudita na ny fifaliana izany dia faritana hoe fifaliana izay feno fiadanam-po sy fahafaham-po.               Upeksha  indray dia mety hidika hoe fitoviana, tsy fanavakavahana. Ny hoe « Upa » mantsy dia midika hoe mihoatra, ary ny « iksha » dia midika hoe tendrombohitra, noho izany ny olona iray dia tokony hijoro ambonin’ny tendrombohitra mba hijereny ny zava-misy rehetra ka tsy hofehezin’ny lafin-javatra iray izy. Mitovy ny olona rehetra ka tsy tokony hanavakavaka ny tenantsika amin’ny hafa isika. Raha ny tena izy, rehefa tsy misy fanavahana ny « tena » sy ny « hafa », dia nahatratra ny upeksha isika.

Araka ireo toetra 4 na singa 4 ireo ry havana dia mifangaro ny atao hoe fitiavana sy ny toetoetry ny fitiavana marina eo amin’ny fivavahana tsy Kristiana. Raha raisina ireo fanazavana ireo dia toa misy itovotovizany amin’ny fampianarana Kristiana ihany ny fampianaran’izy ireom saingy na dia izany aza dia hita miharihary fa mifanalavitra tanteraka amin’izay ambaran’ny Soratra Masina ho tena fitiavana ny azy ny atao fitiavana.

Izao isika dia hiditra amin’ny famaliana ny fanontaniana faha 3 sady farany manao  hoe :Inona no mampiavaka ny Zanaky ny Fifohazana amin’ny Jentilisa raha mitovitovy ny fomba fiainany?

Tsy voatery ho olona ratsy fanahy na olon-doza ry havana ny tsy mino na ny Jentilisa fa afaka  maneho fitiavana  amin’ny alalan’ny fanaovana fehim-pihavanana toy ny fanaon’ny mino koa izy saingy tsy fehezin’ny tenin’Andriamanitra kosa izy ireo amin’izany.

Lazain’I Jesosy fa Koa amin’ izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan’ ny Rainareo Izay any an-danitra (Mat.5:48).

Ny mampiavaka ny Kristiana dia noho izy mahatratra hatramin’ny farany ny tanjona kendrena  eo amin’ny fanana toetra maha Zanak’Andriamanitra. Izany hoe isika dia voavolavolan’ny tenin’Andriamnitra mba ho tonga lafatra (teleios).  Isika rehetra anefa mahalala fa tsy misy olona teraka na tsy misy kilema na tsy misy ahadisoana ziany eto ambanin’nny masoandro. Fa izay ambaran’ny tenin’Andriamanitra ho fahatanterahan’ny mino kosa ny teny ampiasaina hanondroana ny fahamatoran’ny olon-dehibe iray, ka miala amin’ny maha zaza na  entina hilazana koa ireo olona izay efa mandroso aram-panahy, manana  fahasalamana aram-panahy tsy misy tomika ny hoe fahatanterahana, ka ao anatin’ilay hevitra hoe salama io ny teny hoe “tonga lafatra” izay matetika adika hoe « matotra.  » Io ilay voalaza fa fahamatoarana aram-panahy arak any fanevan’izao Isan-taona faha -126 izao.                Araka izany raha mampiasa ny teny hoe fahatanterahana ny tenin’Andriamanitra dia manondro  ny Ray any an-danitra izany, izay fenitra alain’ny Kristiana tahaka amin’ny fitiavana.  Ambaran’I Jesosy amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ ny marina sy ny tsy marina.               Ny Zanaky ny Fifohazana ary dia tokony ho tonga lafatra sy lavorary ka ao anatin’izany ny fitiavana ny namanao, ny fahavalonao, ary fivavahana ho an’ izay manenjika. Ny Ray any an-danitra no fenitra arahan’ny mino amin’izany ka ny fahatanterahana no tanjontsika mandrakariva amin’ity fiainana ity, fa amin’ny fiainana ho avy kosa dia ho fainantsika ao amin’ny mandrakizay izany.               Ny fahatanterahana eto izao amin’izao fiainana izao  mantsy ry havana dia mazava fa tsy hain’ny herin’ny tenantsika atao na tratrarina manokana. Izany indrindra no lazain’I Jesosy fa: hain’ Andriamanitra ny zavatra rehetra na dia tsy hain’ ny olona aza izany araka ny Mt 19:26, Mk 10:27.Ry Havana mila mandeha araka ny Fanahy isika araka ny  voalazan’ny Gal.5:16 : Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ ny nofo hianareo.Fehiny,               Ny fahatanterahana kristiana ary dia manondro ny fahamatorana ara-panahy vokatry ny firaisana amin’Andriamanitra miaraka amin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana.  Ny mpanota dia mahay mitia izay tia azy koa. Mba hitoviantsika amin’ny Ray izay an-danitra ary dia mila mahay mamindra-fo sy mahay maneho fitiavana isika zanaky ny Fifohazana dia ny fitiavana matotra sy feno ka tsy mametra izany fitiavana izany ho an’ireo izay tia antsika ihany fa ho an’ny olona rehetra tsy ankanavaka koa.               Tahaka ny anomezan’Andriamanitra zavatra tsara dia ny anaposahany ny masoandrony amin’ ny ratsy fanahy sy ny tsara ary ny ampilatsahany ny ranonorana amin’ ny marina sy ny tsy marina koa no tokony hitondran’ ny mpanara-dia an’I Jesosy ny hafa (na « tsara » izy na « ratsy ») dia amin’ny fitiavana tsy miova (5:45) satria izany no atao hoe fahamatorana aram-panahy ary fahatanterahana amin’ny fiainana.               Karazana fitiavana manahoana ary ny fitiavana anananao? Ary inona no mety hiavahanao amin’ny Jentilisa raha  afaka maneho fitiavana koa izay ireo?Amen!